- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025

Tapatapany

#- Ambodiafontsy. Môtô nidona tamin’ny pôtô, olona iray namoy ny ainy. Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga teo Ambodiafontsy, Ampitatafika, ny alarobia alina lasa teo. Roalahy nitaingina môtô, handeha hody eny Ampitatafika no niala làlana ary nidona tamina andrin-jiro iray teny an-toerana. Maty tsy tra-drano ilay nitondra môtô, naratra mafy kosa ilay olona iray nentiny taoriana. Nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana ilay naratra. Nomena ny fianakaviana kosa ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy.

m.L

#-Maintirano. Mpivady voatifitra teny ambony môtô. Ny herinandro lasa teo, mpivady iray handeha hihazo an’i Maintirano no nisy nitifitra teny ambony ny môtô nentin’izy ireo. Vokatr’izay, maty tsy tra-drano avokoa ireo olona roa ireto. Raha ny fampitam-baovao dia lasan’ireo olon-dratsy nitifitra izay zavatra sarobidy teny amin’ireto olona ireto. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

# – Vohibato. Polisim-bohitra tratra nangalatra omby, tra-tehaka ihany koa ny basy fampiasany. Renim-pianakaviana iray tao an-tanànan’Aloatsiarovy, Kaominina Andranovorivato, Distrikan’ i Vohibato notafihana roalahy nirongo basy, ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Omby fito tao am-pahitra no lasan’ny dahalo. Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona nampian’ireo mpitandro filaminana mpampandry tany, taorian’ny antso vonjy nataon’ny voatafika. Nifankatratra teny an-dàlana ny roa tonta sahabo ho kilaometatra vitsy miala ny tanàna, ka raikitra ny fifandonana.  Voatifitra teo amin’ny tongony ny dahalo iray, izay voalaza fa polisim-bohitra ao Sahanavelo, ka tsy afa-nitsoaka intsony ary dia noraisim-potsiny. Maty voatifitry ny miaramila kosa ilay namany nitsoaka. Azo avokoa ny basim-borona nampiasain’ireto jiolahy nandritra ny fanafihana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici