#- Sainte Marie. Vazaha hita faty nihantona tao an-tranony. Lehilahy, teratany frantsay iray, manodidina ny 50 taona teo ho eo no hita faty, ny zoma maraina lasa teo, tany Ravoraha, Sainte Marie. Nihantona sy nikorakoza tamin’ny tady tao an-tranony ity teratany vahiny ity. Raha ny fampitam-baovao azo dia toa hoe namono tena ity lehilahy ity. Mbola mandeha anefa amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ireo zandary any an-toerana.
#-Antsirabe II. Fivarotana voatafiky ny jiolahy mirongo basy. Nitrangana fanafihana mitam-basy indray tao Belazao, Antsirabe II, ny alin’ny alakamisy lasa teo. Fivarotana iray indray no lasibatra tamin’ity fanafihana ity. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy ary naratra mafy voatifitra ny tompon-trano. Lasa tamin’izany ny vola rehetra tao amin’ity toerana ity. Tovovavy iray tao amin’ity trano ity kosa no saika niharan’ny habibian’ireo olon-dratsy ireto. Efa mandeha ny famotorana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ataon’ireo mpitandro filaminana.
Nangonin’i m.L / Andry N.