- Publicité -
mardi, mai 13, 2025

Tapatapany

# Toliara. Ramatoa naratra mafy tsy nahatsiaro tena novelesin’ ny vadiny tamin’ ny “bois rond”. Noho ny hasarotam-piaro, renim-pianakaviana iray 38 taona no naratra mafy torana tsy nahatsiaro tena novelesin’ny vadiny tamin’ny « bois rond », ny sabotsy alina teo, tany Toliara. Teo amin’ny lohany no voavelin’ilay hazobe ary nihijitra ny rà ka nifamonjena haingana nentina teny amin’ny hopitaly. Raha ny fanazavana voaray, dia tara fodiana  avy namangy ny havany narary ity ramatoa ity. Vao niditra ny trano izy dia nisafohaka sady tezitra rangahy vadiny ary nanenjan-tsandry sy namono azy, noho ny hasarotam-piaro. Mbola tsaboina ity naratra hatramin’izao.

# -Farafangana. Lavanila maitso 107 kg saika haondrana an-tsokosoko tratra, nodorana omaly. Lavanila maitso 107 kg tsy ara-dalàna, saika havoaka an-tsokosoko tratra ny faran’ny herinandro teo, tany Farafangana, tao amin’ny “barrage économique” ny Faritra ao amin’ny Kaominina Amporoforo, sisintany manasaraka ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany, amin’ny RN12. Rehefa vita pitsopitsony rehetra tamin’ny fitanana an-tsoratra dia nopotehina sy nodorana ireto lavanila tsy manara-dalàna ireto omaly, tany Farafangana. Raha ny tokony ho izy dia ny volana mey any ho any no misokatra ny fiotazana sy ny fivarotana ny lavanila, hoy ny vaovao voaray.

#  Andapa. Mpivady avy nivarotra lavanila 100 kg, matin’ny hasemporana. Omaly, mpivady avy nivarotra lavanila 100 kg ny faran’ny herinandro teo no hita faty tamin’ny tranony an-dalam-panamboarana, tany Andapa. Ny zanak’izy ireo lahy handeha hianatra vao maraina, hiarahaba azy mivady ireto no nahita ny vatana mangatsiakan’ny ray aman-dreniny tsy nisy aina intsony. Tsy nahitana ratra na diam-bono ny vatan’ireto mpivady namoy ny ainy, hoy ny vaovao voaray. Raha tombatombanana, dia mety matin’ny hasemporana ireto mpivady. Manoloana ny fahafatesana tampoka mifono mistery ity dia miahiahy ny fianakaviany. Misokatra ny fanadihadiana.

#  Kandreho. Vaky ny fefiloha, dobo rano ny tanàna, olona an’arivony tsy manan-kialofana. Noho ny rotsak’orana misesy, dia vaky ny fefiloha ao Mahazoma, Distrikan’i Kandreho, ny alatsinainy teo. Vary 25taonina eo no simba, olona 5 naratra mafy  aman’arivony no tsy manan-kialofana. Miandry ny fandraisana andraikitra avy amin’ny Fanjakana ny vahoaka velon-taraina any an-toerana amin’izao, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa 

 

#  Mahitsy. Olona adala maty nodomin’ny fiara. Lehilahy iray manodidina ny telopolo taona teo ho eo no namoy ny ainy, rehefa avy nodomina taxi-brousse teny Mahitsy, ny alahady lasa teo. Handeha hiakatra  ho aty  Andrenivohitra ity fiara ity. Niampita tampoka ilay lehilahy, izay marihana fa manana olana ara-tsaina, raha ny fampitam-baovao, ka dia voafaokan’ilay fiara. Naratra mafy izy, ary namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana.

# Anjozorobe. Fasana nisy namaky. Ny zoma lasa teo, fasana iray teny Ambohitrakely, ao amin’ny fokontany Ambohimazoina, any amin’iny faritra Anjozorobe iny no nisy namaky. Ny tompon’ny fasana sendra nandalo teny an-toerana no nahita ny varavaram-pasana nidanadana. Rehefa notsirihana anefa dia tsy nisy banga ireo taolambalo tao anatiny. Nohidiana teo imason’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ity fasana vaky ity.

#  Manakara. Miaramila mivady maty nodomin’ny fiara. Miaramila iray miasa any amin’iny faritra Manakara iny, niaraka tamin’ny vadiny, no indray namoy ny ainy tao anatina lozam-pifamoivoizana ny zoma alina lasa teo, tao Manakara tampon-tanana. Raha ny fampitam-baovao dia nodomina fiara nirimorimo, nentina olona mamo izy mivady ireto. Maty tsy tra-drano vokatry ny dona nahazo azy teo amin’ny lohany ilay mpitandro filaminana. Tsy tana intsony ihany koa ny ain’ilay vadiny izay naratra mafy, rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly. Efa notazomina ity mpamily namoa-doza ity, raha ny fantatra.

# Manakara. Olona iray nandoro tanàna. Traboina miisa eo amin’ny 384 eo ho eo no indray tsy manan-kialofana vokatry ny hay trano nitranga tany Anivontany, kaomina Vohimasina, any Manakara ,ny zoma lasa teo. Tanana iray manontolo mihitsy, izay nahitana trano 32 no indray lasa lavenona tanteraka, tao anatin’ny fotoana vitsy monja. Araka ny vaovao dia olona iray no ninia nanao izany, ary nitsoaka raha vao nirehitra ny afo. Efa mandeha ny fikarohana ity nahavanon-doza ity. Marihana fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’ity fahamaizana ity.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici