# – Beravina Itaosy. Ankizy roa matin’ny herinaratra. Ny sabotsy hariva tokony ho tamin’ny 7 ora, ankizy roa no fantatra fa matin’ny herinaratra teny Beravina Itaosy. Loza efa ho avy tokoa izy ity. Ny vaovao no nahalalana fa nisy tariby mitondra herianratra nifampikasoka. Rehefa afaka fotoana fohy, nilatsaka tamin’ny tany ilay izy. Tamin’io fotoana io no nisy ankizy vavy kely iray nandalo sy nahakasika izany. Tonga dia noraisin’ny herinaratra teo izy ary izany no nitarika ny fahafatesany. Tsy vitan’izany fa nisy ankizilahy iray 15 taona, nahakasika koa ilay tariby. Tsy tana koa ny ainy. Ankizy roa izany no indray namoy ny ainy.
# – Anjanahary. Mpitondra Scooter nandroba mpivarotra lasantsy. Omaly alahady, araka ny voavoa voaray, dia nisy roalahy nitaingina Scooter nandroba mpivarotra lasantsy teny amin’ny faritra Anjanahary. Lasan-dry zalahy avokoa ny vola voaray io andro io. Tamin’ny 2 ora sy sasany no voalaza fa niseho ity halatra ity, amin’ny fotoana faran’izany mangina tsy nisy mpandalo. Naka lasantsy ireo jiolahy nampidiriny tao anaty moto. Rehefa feno izany, namoaka basy ny iray ary nitaky ny hanomezana azy ny vola fa raha tsy izany dia hotifiriny ny mpivarotra sy ny fantsona mbola teny an-tanan’ilay « pompiste ». Raha vao azony ny vola dia lasa izy ireo, araka ny filazan’ireo teny an-toerana.
# – Isotry. Sakafo lany daty, olona roa voasambotra. Vehivavy roa no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany. Tratra nivarotra fromage efa lany daty izy ireo. Rehefa nofotorana ireto olona ireto dia nilaza fa vidiany eny Tanjombato ireo entana ireo. Avy eo eny Isotry, Andravoahangy sy Analakely no hivarotany azy. Mandehandeha izy amin’izany. 10 baoritra no tratra tamin’ny faha-18 febroary. Rehefa nosavaina ny tranony dia mbola nahitana fromage 644 baoritra efa simba. Amidiny 1 200 ariary ny boaty iray amin’ny mpanjifa fa latsak’izany kosa ho an’ireo izay mbola hivarotra. Tamin’ny sabotsy teo no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana izy roa vavy ireo.
nangonin’i r.s.