- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

# – Betafo. Raim-pianakavina novonoin’ny jiolahy. Tamin’ny herinandro lasa, lehilahy iray no fantatra fa maty novonoin’ny jiolahy ary lasan’ireo mpangalatra ny vola hatranyamin’ny 400 000 ariary. Tany amin’ny tanana antsoina hoe Ambolotara Tsarazafy any amin’ny kaominina Ambatonikolahy any Betafo no niseho ity vono olona ity. Ny vaovoa hatrany no nahalalana fa tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany no niseho ny fandrobana. Araka ny filazan’ny olona avy any an-toerana dia tena anjakan’ny tsy fandriampahalemana iny faritra iny. Tsy indray mandeha no nisy tranga sahala izao, fa miverimberina. Tsy mifidy ora ny jiolahy fa na andro na alina dia tonga izy ireo. Tsy fandrobana ihany fa ao koa no halatr’omby. Manaitra ny tompon’andraikitra ny mponina mba hijery akaiky ny zavatra miseho any.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici