# Ambohidratrimo. Lehilahy maty teny an-tanimbary. Lehilahy iray no hita faty teny an-tanimbary tany amin’ny tanàna antsoina hoe Bemandomba Miadamponina any Mahitsy, tamin’ny alarobia lasa teo. Tonga nampandre ny zandary tao Mahitsy ny olona iray nilaza fa maty ny rahalahany. Nihetsika teo am-pinjinjana vary ny aretin’ity namoy ny ainy ity. Aretina androbe. Efa tonga nizaha ny razana teny amin’ilay toerana ny mpitandro filaminana.
# – Mahajanga. Lozam-pifamoivoizana. Mpitondra moto iray no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny alarobia teo teny amin’ny fokontany Amparihimahitsy fokontany Belobaka amin’ny RN 4. Fiara Mazda iray avy any Marovoay ho any Mahajanga no nandona ilay mpitaingina moto. Tsy fantatra mazava aloha ny nahatonga ny loza fa rehefa nidina nijery ny zava nisy teny an-toerana ny zandary avy ao Belobaka dia tsy teny an-toerana intosny ilay fiara. Ireo nahita ny fandehan’ny loza no nilaza fa tsy nisy jiro ilay fiara tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Ny mpitandro filaminana avy ao Mahanjaga no misahana ny fanadihadiana.
nangonin’i r.s.