- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025

Tapatapany

# -Toliara. Mpibizina finday maty namono tena. Tovolahy iray 25 taona, mpibizina telefaonina finday mandehandeha no maty namono tena tamin’ny alalan’ny fihinanana poizina famonoana biby, afak’omaly, tany Toliara. Raha ny angom-baovao dia bokan-trosa ity lehilahy. Noho ny henatra dia nisafidy ny nanapitra ny ainy izy. Tsy nisy nanampo ny nanaovany izao famoizam-po izao na ny havany na ireo manodidina sy mpiara-monina eo an-tanàna, satria olona tena matanja-tsaina izy, hoy ny fianakaviany.

# -Ikongo. Olona roa maty voatifitra, 9 hafa naratra mafy, vola 4 tapitrisa ariary nanjavona. Nahery vaika ny fanafihan-jiolahy mitam-basy niseho tao Ambatofotsy, distrikan’Ikongo, ny fiandohan’ity herinandro ity. Efa-dahy nirongo basy nanafika tokantrano iray tany an-toerana. Lasa tamin’izany ny vola efatra tapitrisa ariary, niaraka tamin’ny entana sarobidy maro tao amin’ity tokantrano voatafika ity. Teo am-pitsoahana ireo jiolahy, no raikitra ny fifanjevoana tamin’ny fokonolona teo an-tanàna niezaka nanohitra an’ireo mpandroba. Naharitra teo amin’ny 30 minitra  ny fifandonana, ka raim-pianakaviana mbola tanora roa no indray lavon’ny balan’ireo jiolahy, olona sivy hafa kosa naratra mafy. Tafaporitsaka ireo jiolahy niaraka tamin’ny entana, ka mbola karohina hatramin’izao, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici