# – Ankadivato. Tsy ampy taona, tratra nangalatra finday. Ny alarobia lasa teo, ankizilahy telo samy mbola tsy ampy taona no tratran’ny polisy nangalatra finday, teny Ankadivato tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Rehefa nohadihadiana ry zalahy ireo, dia nilaza fa tsy manam-bola hidirana amina « bal des jeunes » nisy teny an-toerana, ka izany no nahatonga azy nanao izao zavatra izao. Omaly zoma no natolotra ny Fampanoavana izy ireo. Efa naverina any amin’ny tompony ilay telefonina.
r.s.