- Publicité SW45 -
lundi, mars 17, 2025

Tapatapany

# -Manandona. Olona iray maty voatifitra. Olona iray no fantatra fa maty notifirin’ny jiolahy tany Manandona, any Antsirabe, tamin’ny marainan’ny alahady tokony ho tamin’ny 2 ora. Lasan’ireo mpandroba koa ny vola 1 tapitrisa arairy.

# -Antsirabe.  Nirefotra ny basy. Narefotry ny jiolahy ny basy teny Antsongo, tany Antsirabe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady tamin’ny 11 ora alina. Talohann’y nidirany ny trano sy tamin’ny fotoana nandosirany no nisy izany. Lasan’izy ireo ny vola 3 hetsy ariary.

# – Fihaonana. Tompon’omby maty. Maty notifirin’ny dahalo ny tompon’omby iray tany Fihaonana tamin’ny sabotsy maraina. Mpangalatra telo nitondra basim-borona no nanao izany. rehefa natao ny fanarahan-dia, tsy nisy tratra ry zalahy. Azo kosa ireo omby nangalariny.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser