- Publicité -
mardi, mai 13, 2025

Tapatapany

# – Toliara. Mpanendaka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Tovolahy iray nanendaka findaina ramatoa handeha hiantsena vao maraina tao Bazary Scama,  no naratra mafy saika matin’ny fitsaram-bahoaka, omaly maraina, tany Toliara. Raha ny vaovao voaray, dia nikiakiaka niantso vonjy avy hatrany ilay vehivavy voaroba, ka raha vao nahita sy nandre izany ireo mpitari-posy dia nihazakazaka nanenjika an’ ilay mpanao sinto-mahery. Tratra ka avy hatrany dia notsarain’ny olona. Vokatry ny daroka sy vono nihatra taminy, dia rapa tanteraka ny tarehiny ka mila tsy hisokatra intsony ny masony, nivonto be ny molony sady nijininika ny rà. Rehefa reraka  ny nidaroka ity jiolahy ireo fokonolona dia navela nandeha izy fa tsy niantsoana mpitandro filaminana. Naverina tamin’ny tompony kosa ny finday nagalariny.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici