- Publicité -
mardi, mai 13, 2025

Tapatapany

#-Ambohidahy. Nirehitra ny tranon’ny Fitsarana ambony teo aloha. Omaly maraina, nidona-tsetroka ny tao amin’ny tranon’ny Fitsarana ambony telo aloha, izay “cour des comptes” amin’izao. Birao iray tao amin’ity tranom-panjakana ity no nirehitra raha ny fanazavana azo. Tsy fantatra mazava hatreto izay nahatonga ny loza. Mbola tsy fantatra ihany koa hatreto ny totalim-bidin’ireo zavatra simba na ny mikasika ireo antonta-taratasy levon’ny afo. Nalaky voafehy, tsy hiitratra tamin’ireo birao hafa kosa ny afo tamin’io fotoana io. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy.

#- Fanakatonana ny Golden center. Mpivarotra iray voahidy tao anatiny. Saika raikitra ny sakoroka omaly tetsy Behoririka, nandritra ny fanakatonan’ny Kaominina ilay toeram-pivarotana sinoa, Golden Center. Niravona ihany moa izany rehefa nahazo fanazavana tany amin’ny tompon’andraikitra izy ireo. Fa nandritra izany, olona iray, mpivarotra tao amin’io toerana io no voahidy tany anatiny tany, raha ny fantatra teny an-toerana. Tsy fantatra na mbola saika handamindamina angamba na naka zavatra ka voahidy tany. Soa ihany fa nisy finday afaka niantsony ny tety ivelany tany aminy, ary afaka soa aman-tsara tao ihany.

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici