- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

# – Mahamasina. Lozam-pifamoivoizana, maty ilay nitondra moto. Omaly alina tokony ho tany amin’ny 8 ora tany ho any, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Mahamasina. Vokany, tovolahy iray no namoy ny ainy. Araka ny fantatra, nitohana ny lalana tamin’io fotoana io. Nikasa hisongona fiara iray teo alohany ilay nitondra kodiarandroa. Avy hatrany anefa dia nidofitra tamina 4X4 iray ilay moto. Naratra mafy tokoa izy tamin’izay. Voalazan’ny vaovao fa tsy nanao « casque »ity olona ity tamin’ny fisehoan’ny loza.

# –  Ilakaka. Avy be ny orana, an-jatony ny traboina. Efa telo andro izao, avy tsy nijanona ny orana tany amin’ny faritr’Ilakaka sy ny manodidina. Vokatr’izany, maro dia maro ny trano lasan’ny rano sy potika. Omaly, efa tafakatra an-jatony ireo traboina tsy manana ialofana. Ny vaovao no nahalalana fa tsy misy any an-toerana ny tatatra tokony hivarinan’ny ranon’orana. Avy dia miditra an-trano ny ranobe ary mamotika izay sendra azy. Hatramin’ny omaly ihany, mbola tsy nijanona ny orambe mikija.

# – Faux Cap, Androy. Sambo mitondra saribao nihitsoka. Sambo lehibe iray avy naka saribao milanja hatrany amin’ny 160 000 taonina tany Afrika Atsimo no nihitsoka  any amin’y helindrano any Faux Cap, Faritra Androy nanomboka ny faha-29 febroary lasa teo. Efa samy mahafantatra izao zavatra izao avokoa ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny eto amin’ny firenena. Misy mpiasa roa avy ao amin’ny APMF efa nalefa any an-toerana. Tsy misy aloha hatramin’izao ny olona namoy ny ainy mikasika ity zavatra ity. Toraka izany koa, tsy voaloto ny ranomasina.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici