- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025

Tapatapany

# – Ampanihy. Nokapain’ny dahalo ny tompon’omby. Ny faha-5 martsa lasa teo, notafihan’ny dahalo ny tokantrano iray any Bealoky, any Ampanihy Andrefana. Vokany, voakapa antsy teo amin’ny sorony ny tompon’ny trano. Naratra mafy izy vokatr’izany. Lasan’ny mpandroba ny vola 860 000 ariary. Tamin’ny misasakalina no niseho ny famakiana trano. Dahalo miisa enina nitondra basim-borona no nanao amboletra niditra. Rehefa nahazo izay nilainy ireo olon-dratsy dia lasa nandeha. Zandary miisa efatra niaraka tamin’ny Dinabe no nanao ny fanarahan-dia.

# – Tsaratanana. Dahalo roa maty, basy MAS 36 iray azo. Ny faha-4 martsa lasa teo, nandeha hisambotra dahalo teo anelanelan’i Tsaratanàna sy Antetezambato ny ny zandary avy ao Tsaratanana. Teny an-dalana anefa, nifanehatra tamina olona roa nitondra basy MAS 36 iray izy ireo. Raha vao nahita ireto mpitandro filaminana ry zalahy dia rifatra nandositra. Raikitra ny fifampitifirana ka maty tamin’izany ireo dahalo ireo. Azo koa ny basy teny aminy MAS 36 NR FH 93592 nisy baïonnette sy bala efatra lot SFI-81 miampy fahana iray. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny zandary ao Tsaratanana.

# – Mitsinjo. Jiolahy efatra voasambotra. Ny faha-6 martsa teo, nisy fanafihan-jiolahy niseho tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antsakamanera any Mitsinjo. Fivarotana iray no nisy nandroba. Nisy olona niantso ny zandary avy ao Namakia ka raikitra ny fisamborana. Jiolahy efatra no indray tratra. Nisy iray tafatsoka. Tratra teny amin’izy ireo ny basy AKM iray nisy bala 11 sy PA vita gasy voafahana misy bala roa. Ankoatra izany dia azo koa ny fanamiana miaramila(tenue de combat) malagasy sy fanamiana Kosovo 2. Ny zandary avy ao Namakia no miandraikitra ny fanadihadiana. Tazonina any amin’ny birao ireo olona efatra ireo.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici