#Imerintsiatosika. Mpiandry tsena maty voatsindrin’ny entana. Tovolahy iray tokony ho roapolo taona no hita faty teny Imerintsiatosika omaly, tao anaty entana. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia nasaina niandry tsena ity tovolahy ity ny alina. Nony maraina anefa tsy hita izay nalehany. Rehefa nojerena ny tao an-tsena dia hita voantsindry ny gony marobe tao izy. Nezahina novonjena saingy efa tsy nisy aina intsony. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana tamin’ity loza ity, ary efa misokatra ny fanadihadiana.
nangonin’i m.L