- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025

Tapatapany

# -Ankorondrano. Lasan’ny mpisam ny poketra. Tamin’ny 1 ora, amin’ny fotoana be mpandeha teny Ankorondrano Andranomahery, vehivavy iray no sendra mpisam. Avy hatrany dia lasan’ilay tovolahy ny poketrany ary nitsoaka nanaraka ny lalamby ny anao lahy. Be dia be mpandalo ka nisy iray nanana moto nanenjika ilay jiolahy. Raha nahita izany ity mpanendaka ity dia natsipiny ilay poketra ary lasa nanohy ny fandosirany izy. Araka ny filazan’ny mponina eny an-toerana, mirongatra indray ny asa fanendahana amin’iny faritra iny, ary andro aman’alina izany.

# – Moramanga. Mpitondra moto maty tsy tra-drano nifandona tamina 4X4. Ny alatsinainy teo tamin’ny 12 ora mahery kely, lehilahy nitondra moto niala tao Moramanga nihazo ny lalam-pirenena faha-2 no nidofotra tamina fiara 4X4 teo amin’ny toerana antsoina hoe Sahamamy PK 133+300. Noho ny hamafin’ny fifandonana dia voalazan’ny vaovao fa maty teo no ho eo ilay nitondra kodiaran-droa.  Tonga nijery ifotony ity loza ity ny zandary any an-toerana. Rehefa izany dia nomena ny havany ny razana. Ny zandary avy ao Andasibe no manao ny fanadihadiana.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici