- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025

Tapatapany

#Andrefan’Ambohijanahary. 4X4 nidona tamin’ny pôtô, nanapaka jiro. Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Andrefan’Ambohinajahary omaly vao maraina. Fiara tsy mataho-dalana iray no nidona tamina andrin-jiro teny an-toerana. Nikivilivily ity fiara ity  handeha hiakatra ho aty an-drenivohitra, ary niafara teny amin’ilay pôtô. Potika tanteraka ilay fiara, nivilana ihany koa ilay andrin-jiro, izay marihana fa mitondra herinaratra mamatsy iny faritra iny. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Tapaka kosa ny jiro teny an-toerana, saingy niverina tamin’ny laoniny izany ora maromaro taty aoriana.

#-RN1. Kamiô nifandona tamina minibus, niafara tamin’ny fanendahana sy fikasihan-tànana. Kamiô lehibe iray no nandona vodina “minibus” teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny omaly, teo amin’ny kilaometatra vitsivitsy tsy hiditra an’i Soamahamanina. Tsy nisy naratra saingy  niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka kosa ilay loza nahapotehana fiara. Tezitra tamin’ilay fifandonana mantsy  ireo tao anatin’ilay fiara kely ka nirohotra nanapotika sy nanendaka izay zavatra rehetra teo amin’ilay kamiô. Ny sasany kosa nanenjika ilay mpamilin’ilay fiarabe sy nikasi-tànana, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Nilamina ihany moa izany rehefa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana.

Nangonin’i k.m

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici