# Tsy nisy mpianatra eny Ankatso ireo olona telo izay nosamborin’ny zandary, nandritra ny fanakanan-dàlana izay natao tetsy Ambolokandrina, raha araka ny fanambaràna nataon’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’io vondrona io. Tsy vitan’izay nanakorontana fa mbola niteraka ny fahasimban’ny fiaran’ny zandary eo anivon’ny Groupement, izay vaky fitaratra noho ny tora-bato, ireo olona ireo, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany.
# Nohamafisina ny fiambezana ny lapam-panjakana etsy Iavoloha, taorian’ny raharaha pôlitika izay nafampanana nanomboka tamin’ny zoma teo. Tsy maintsy miasa avokoa na « consigné » irep mpitandro ny filaminana rehetra eo anivon’io lapa io, na inona vondrona misy azy na inona. Nampiana isa ihany koa ireo mpiambina akaiky ny Filoham-pirenena.
# Tsy ampy taona ny telo ary vehivavy ny iray hafa tamin’ireo olona izay nosamborin’ny pôlisy tetsy Analakely. Izy ireo dia sarona ambodiomby nandritra ny fanaovana sinto-mahery, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy. Tsy mety lany ny mpanendaka eo Analakely ary ireo tsy ampy taona dia maro no tena tafaroboka ao anatin’izany asaratsy izany.
r.s