- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025

Tapatapany

# Andravoahangy. Mpitondra fiara voaendaka. Na dia efa mihidy aza ny fitaratr’ilay fiara, tsy nahasakana ny mpanao sinto-mahery naka ny telefaonina teny amin’ilay mpamily izany. Teny Andrvoahangy no niseho izany, afak’omaly. Tsy nisy azon’ilay voaendaka natao intsony, fa dia nangaihay teo fotsiny ny anao lahy. Fa ny tena nahavariana tamin’ity endaka ity, na dia efa lasan’ireo bandy aza ny finday, tsy tapaka ny antso ary henon’ilay nantsoina tsara ny resaka nifanaovan’ireo mpanao sinto-mahery sy ny olona nanafina azy. Voalaza fa niery tao ambadik’ireny mpivarotra kidoro ireny izy ireo.

r.s.

# Antaninarenina. Fiarana tsy mataho-dalana nandona mpitondra môtô. Nifanesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana teto Andrenivohitra. Fiara tsy mataho-dalàna iray no nandona mpitaingina môtô roalahy, tetsy Antaninarenina, omaly maraina. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, dia nahitana fahapotehana ilay môtô, naratra kosa ireo mpitaingina azy. Raha ny fantatra dia toa hoe ana mpiasam-panjakana ambony ilay fiara, ary vehivavy no nitondra azy tamin’io fotoana io. Mpiasa amin’ireny orinasa mpiambina ireny kosa ireo roalahy.

# Andoharanofotsy. Môtô nifandona tamina môtô, naratra mafy ireo mpitaingina. Nandriaka indray ny rà tetsy Andoharanofotsy, ny talata alina lasa teo. Tovolahy iray nitaingina môtô no nifanena tampoka tamina môtô, izay notaingenan’olona telo. Nandeha mafy avy any ity farany ary avy hatrany dia nanitsy itsy voalohany. Vokatr’izay, naratra mafy ilay mpitaingina môtô voalohany. Nitsoaka kosa ireo nandona. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ilay naratra.

nangonin’ I m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici