- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025

Tapatapany

# – Ampitatafika. Lehilahy nisy nandrahona haka an-keriny. Naharay antso     avy tamin’ny telefaonina ny lehilahy iray monina eny Ampitatafika, fa raha tsy manome vola 20 tapitrisa ariary an’io niantso azy io izy dia hisy haka an-keriny.  Tamin’ny 3 ora izy no nahazo izany antso izany. Niverina indray ilay telefaonina tamin’ny 7 ora ary nitovy ny hafatra voaray. Niampy ilay fandrahonana fa raha tsy mandoa vola dia hisy hanafika ry zareo. Nmpandrenesina ny mpitandro filaminana ka dia nohamafisina ny fisafoana teny an-toerana.

# – Fianarantsoa. Lasan’ny mpangalatra ny vola tao amin’ny kiosika telma. Bandy roalahy nitondra antsy no voalaza fa tonga nandroba tao amin’ny kiosika telma ao Canivet amoron’ny RN 7 ny 16 aprily lasa teo. Tamin’ny 1 ora no niseho izany fandrobana izany. Tsy nanaiky mora anefa ny tompon’ilay toerana fa nanohitra. Avy hatrany dia voafira antsy teo amin’ny tànany. Lasan’ireo mpangalatra ny vola rehetra. Tonga nizaha ny zava-nisy ny zandary sy ny polisy tany an-toerana ary efa misokatra ny fanadihadiana.

r.s./m.k.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici