- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

# – Alasora. Lasan’ny jiolahy ny vola 3,4 tapitrisa ariary.  Tamin’ny faha-20 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora aliana latsaka fahefany, nisy jiolahy iray nandroba tao amina trano teny Mahitsy amin’ny kaominina Aloasora. Teo amin’ny varavarankely nanandrify ny efitra fatorian’ilay tompon’ny trano no niditra ilay olon-dratsy. Tonga dia voambana basy ilay ramatoa ary nasain’ilay bandy nanome azy ny vola. “Ento aty ilay vola teo”, milaza izany fa fantatr’ity mpangalatra ity ny fidirana vola tao an-trano. Tsy nanohitra fa naome ny 3,4 tapitrisa arairy ilay voatafika. Tsy fantatra ny tena fandehan-javatra, fa araka ny vaovao, vola vao nomen’ny anadahin’ilay ramatoa azy io notakian’ny jiolahy io. Tsy mifanalavitra ny tranon’izy mianadahy, hoy hatrany ny vaovao. Efa mandeha ny famotorana ataon’ny zandary avy eny Alasora.

# – Halatra fiara. Notazonin’ny polisy ny mpamily sy ny mpanampy azy. Ny alin’ny faha-20 aprily teo, nisy fiara Sprinter nanao lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalana avy ao Anosizato ho eny Soavina Atsimondrano. Tonga teny an-toerana ny zandary nizaha ny zava nisy. Nosavaina ny mpamily ary nasaina nanome ny taratasin’ilay fiara. Voalaza moa fa mamo io mpamily io tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana. Tsy nisy ireo taratasy notadiavin’ny zandary anefa tany aminy, ny azy sy ny an’ilay fiara. Avy hatrany dia notazonina ity olona ity. Natao ny fanadihadiana ka fantatra fa fiara taxi-be izay nisy nangalatra tamin’ny alin’ny faha-18 hifoha faha-19 aprily io hita io. Efa nisy taratasy nilazana izany tany amin’ny zandary  sy ny polisy Avaradrano. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary eny Fenoarivo. Efa nalefa any koa ireo olona voarohirohy.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici