#- Itaosy. Zazarano nisy nanary. Zazakely vao teraka iray no nisy nanary teny amin’iny faritra Itaosy iny omaly vao maraina. Olona mipetraka eny an-toerana, sendra nandalo tamin’iny toerana iny no nahita zavatra mifono “sachet” teo amoron-dalana. Rehefa nosavaina dia zaza kely vao teraka no hita tao. Tsy fantatra hatreto hoe iza no reny nahavanon-doza nahavita nanary ny zanany toa izao. Efa mandeha ny fanadihadiana moa raha ny fantatra
#-Tsiroanomandidy. Dahalo roa lavon’ny zandary. Nisehoana fanafihan-dahalo tao Ambaravaran’ala ao amin’ny kaomina Tsiroanomandidy ny zoma atoandro lasa teo. Dahalo valolahy mirongo basy mahery vaika no tonga nanafika tao amin’io toerana io araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Nidina teny an-toerana nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny zandary notarihan’ny kômandan’ny vondro-tobim-paritra Bongolava. Nisy ny fifandonana tamin’ireo olon-dratsy ka lavo tamin’izany ny roa. Azo kosa ireo omby sivy nalain’ireo dahalo ireto. Miantso izay tompon’ireto omby ireto araka ireto mpitandro filaminana mba ho tonga haka azy. Marihana fa mitondra ny laharana QLT ireto omby ireto.
nangonin’i m.L