#-Anjorozobe. Tovolahy maty nianjera teny ambony môtô. Namono olona indray iny lalam-pirenana faha-3 iny ny alahady lasa teo. Roalahy nandeha môtô no nazeran’ny môtô nentin’izy ireo. Namoy ny ainy rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly ny tovolahy nitondra, mbola miady amin’ny fahatesana kosa ilay iray nentina. Tany amin’iny faritra Anjozorobe iny no nisehoan’ity loza mahatsiravina ity, ny alahady tolakandro lasa teo. Raha ny fantatra dia handeha hitodi-doha hiverina any Anjozorobe izy ireo, rehefa avy nijery zavatra tamin’ny tanàna kilaometatra vitsivitsy niala teo. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Ny fahitàna ny vatan’izy roalahy nivalampatra teo amin’ny arabe no nahanfantarana fa mety ho nandeha mafy izy roalahy ireto ary dia izao niharan-doza izao. Efa nomena ny fianakaviana moa ny razana.
#-Ankadifotsy. Tokantrano telo nasesin’ny jiolahy. Nanjaka indray ny asan-jiolahy teny amin’iny faritra Ankadifotsy Befelatanana iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny fantatra dia tokantrano telo no indray nasesin’ny jiolahy maromaro mirongo fitaovam-piadiana. Lasan’izy ireo tamin’izany izay entana sarobidy rehetra tao an-trano, toy ny firavaka isan-karazany, fitaovana elektrônika sy lelavola. Rangahy iray kosa no fantatra fa naratra mafy rehefa avy novonoin’ireo olon-dratsy. Efa mandeha ny famotorana.
nangonin’i m.L