- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025

Tapatapany

#-Andohatapenaka. Sokatra 137 sarona. Sokatra  137  teo indray no saron’ny zandary avy etsy amin’ny borigady misahana ny heloka bevava etsy Fiadanana, omaly tetsy Andohatapenaka. Araka ny vaovao voaray, dia taorian’ny loharanom-baovao azon’ireto mpitandro filaminana avy amin’ny olona no nahafahana nidina teny an-toerana. Efa teo an-dalam-piomanana ny hanondrana ireto harem-pirenena ireto ireo olona no izao sarona izao. Fantatra fa olona telo no nosamborina sy notazonina eny amin’ny zandary tamin’ity raharaha ity dia ny voalaza, fa ny tompon’ireto entana ireto, mpanera iray ary ny tompon-trano.

#-Nosy be. Sambo rendrika, olona dimy namoy ny ainy. Ambonin’ny lozam-pifamoivoizana an-tanety, isan’ny mamono olona koa ny loza an-dranomasina. Sambo, saika hitondra olona an-tsokosoko ho any Mayotte, niala tao Nosybe no rendrika, araka ny fampitam-baovao azo avy an-toerana, ny alahady lasa teo. Vokany, olona dimy, vehivavy avokoa no namoy ny ainy. Ankizy roa kosa no mbola tsy hita hatreto. Mpandeha folo tao anatin’ity sambo ity kosa no avotra soa aman-tsara.

nangonin’i r.s / m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici