#-Fenoarivo. Zazakely iray matin’ny pesta. Zazavavy kely vao 9 taona monja no matin’ny aretina nampiahiahy teny amin’iny faritra Fenoarivo Atsimondrano iny ny talata lasa teo. Efa notsaboina tany amin’ny toeram-pitsaboana ity zaza ity ary nalefa nody. Namoy ny ainy anefa izy nony tonga tany an-tranony. Ny fizahana nataon’ireo mpitsabo no nahafantarana fa tratran’ny pesta ity ankizy kely ity. Nalevin’ny fokonolona avy hatrany ity zaza ity ary nanamboarana fasana manokana. Efa misy ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra isanisany any an-toerana amin’izao trangana pesta mananontanona ny renivohitra izao.
nangonin’i m.L