- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025

Tapatapany

# – Analavory. Lozam-pifamoivoizana nahafaty olona. Ny 10 mey lasa teo, tamin’ny 6 ora maraina, nisy lozam-pifamoivoizana nahafaty olona niseho teny Antambahoaka Ambatomitsangana Analavory. Fiara avy any Soavinandriana no nandona mpandeha an-tongotra iray. Voalaza fa nandeha mafy ity fiara ity ary nivoaka kely ny lalana. Tamin’izay no nahavoadona ilay olona. Mpandeha iray tao anaty fiara koa no naratra.

# -Imerintsiatosika. Lehilahy maty voatsindrona antsy. Lehilahy iray no naratra mafy vokatry ny tsindrona antsy nahazo azy. Nentina haingana tany amin’ny trano fitsaboana nefa ny maraina, namoy ny ainy. Tany Andranotsena, Andavakaloharano eny Imerintsiatosika no niseho ity famonoana ity, ny 9 mey lasa teo. Tsy fantatra aloha ny antony nanindronan’ilay olona antsy an’ity maty ity. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary Imerintsiatosika. Karohina ilay nahavan-doza.

# – Tsiroanomandidy. Kamiao mpanangom-bokatra voatafika. Ny 10 mey teo tamin’ny 7 ora maraina, notafihana jiolahy folo nitondra basim-borona telo, ny fiarabe mpanangom-bokatra teo amin’ny tetezan’ Ankoririka any Tsiroanomandidy. Voatifitra teo amin’ny tongony ny mpamily. Mbola afaka niantso ny zandary ireo niharan’ny fanafihana. Tsy ela dia tonga ireo mpitandro filaminana avy ao Ambatofotsy. Raikitra ny fanenjehana. Vokany, bandy roa no voatifitra teo amin’ny lohany. Tsy nahafaty azy ireo izany. Tsaboina ao amin’ny hopitaly Tsiroanomandidy izy ireo miaraka amin’ilay mpamily.

# – Kiangara. Trano 53 kilan’ny afo. Ny  10 mey, nisehoana hain-trano tany amin’ny tanana antsoina hoe Ambohinaorina any Kiangara Ankazobe. Trano 53 no kilan’ny afo. Araka ny vaovao, afo niainga avy tamina trano iray no nahatonga ny firehetana. Nisy ankizy nahandro sakafo tao ary nilaozany ny afo kitay tao. Nahazo ny tafo bozaka izany ary vetivety dia niitatra tamin’ny trano manodidina. Vary 2 taonina, kisoa 5 sy lamba maro no kila. Voalaza fa mahatratra  100 tapitrisa ariary ny fahavoazana. Tsy nisy ny aina nafoy na olona naratra tamin’ity loza ity.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici