- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024

Tapatapany

# – BEALANANA. Ady tany niteraka fifandonana teo amin’ny fokonolona. Noho ny resaka ady tany dia raikitra ny fifandoana teo amin’ny fokonolona tao Marovato – Beanjezika, Bealanana. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha. Tapaka fa tsy misy mahazo mampiasa ny tany mandrapahatongan’ny manampahefana avy aty Antananarivo.

# – BRICKAVILLE. Trano 82 kilan’ny afo. Loza nitranga tao amin’ny fokontany Morafeno Brickaville ny alahady teo. Trano  82 no indray simban’ny afo. Vokatry ny filalaovana afo nataona tovovavy kely iray no nahatonga ny loza. Vokany, olona 284 no tsy manan-kialofana tamin’ity hain-trano ity.

# – AMBOASARY ATSIMO. Dahalo 5 matin’ny fokonolona. Ny alakamisy teo no notafihan’ny andian-dahalo tany Betsomoty, kaominina Mahandro ,distrika Amboasary Atsimo , ka niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary avy any Tolagnaro. Raikitra ny fifanjevoana ka dahalo 5 no namoy ny ainy. Tafaverina avokoa ny omby 37 tamin’ireo 47 norobain’ireo malaso.

# – AMBILOBE. Ady kariera, olona maro naiditra “violon”. Noho ny famakiana toerana iray fitrandrahana volamena ao Betsiaka – Ambilobe dia olona maromaro no nosamborina ary notanana vonjimaika. Noho ny olana amin’ity toerana ity dia voatery nohidina izany, saingy nisy namaky. Nidina tany an-toerana ny EMMO-REG avy any Antsiranana nandamina ny raharaha.

# – IAVOLOHA. Zaza niampita voadonan’ny fiara. Lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy amin’ny PK 30 tamin’ny làlam-pirenena faha-7, tao amin’ny fokontany Ambalavao, afak’omaly tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Zaza niampita no voadonan’ny fiara P. 405. Naratra ilay zaza, ary ilay fiara kosa nivarina tanaty hantsana.

Nangonin’r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser