#-Akamasoa. Natao veloma farany ilay tompon’andraikitra nisy namono. Nampihetsi-po ny fanaovam-beloma farany ilay ramatoa kely nisy namono tamin’ny fomba mahatsiravina tetsy Alarobia, ny alahady lasa teo, teny amin’ny toby Akamasoa omaly. Saika hipoka tanteraka ny kianja nandraisana ny nofo mangatsiakan’ity tovovavy mendri-piderana, nanome ny fiainany manontolo ho an’ny fikarakarana ireo tsy manan-kialofana teny an-toerana ity. Nisy fanompoam-pivavahana natao teny an-toerana ho fialan-tsasatry ny fanahiny, alohan’ ny nametrahana azy teny amin’ny fasan-drazany. Raha ny momba ity vono olona ity, dia fantatra fa efa nametraka fitoriana ny mpanorina ny Akamasoa, ary efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza amin’izao.
nangonin’i m.L