#-Ambodivona. Trano lehibe iray ravan’ny afo. Nitrangana hain-trano indray tetsy Ambodivona omaly hariva. Trano lehibe iray indray no zary kilalaon’ny afo teny an-toerana. Araka ny fantatra dia vokatry ny “court-circuit” no nahatonga ny loza. Vokatr’izay, kila hotohoto tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra tao amin’ny efitra ambony rehetra. Tsy nisy kosa ny naratra na ny namoy ny ainy. Vetivety foana dia voafehy ny afo.
#-Anosizato andrefana. Fiara kely nifatratra tany ambany kamiô. Fiara kely iray, marika Peugeot, no nifatratra tany ambanina fiarabe iray teny amin’iny faritra Anosizato andrefana iny omaly. Nandeha mafy ilay fiara. Tsy tana anefa ny familiana ary dia nitrongy ilay fiarabe. Simba tanteraka ny lohan’ity fiara ity. Naratra kosa ilay mpamily ary nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly.
Nangonin’i m.L