- Publicité SW45 -
dimanche, octobre 6, 2024
- Publicité -

Tapatapany

# Vedety tsy manan-tompo hita tao amin’ny nosy Sainte-Marie.  Mirefy enina metatra ny halavany ary roa metatra ny sakany. Nahitàna kiraro sy solomaso tao anatiny ary nentin’ny rano teny amoron-dranomasina ity sambokely miloko mainty ity. Tsy fantatra izay tompony ary raha ny filazan’ny olona dia efa ho herinandro izay no teo io vedety io. Nanao fizahana ny zandary tao an-toerana ary hatreto dia heverina ho mety mifandraika amin’ny fisian’ny andro ratsy izay nitranga roa herinandro lasa izay ny fahitàna ity vedety tsy manan-tompo ity.

# Tokantranon’ny mpivarotra jirofo voatafika tamin’ny basy tany ambanivohitr’i Fenoarivo-Atsinanana, ny talata lasa teo. Lasa ny vola sy ny fitaovana mora nobataina tao an-trano. Tsy nionona teo fa mbola nandeha tao amin’ny trano iray teo akaiky ireo olona. Tamin’ity fanafihana fanindroany ity dia norarafany tamin’ny basy ny varavarana rehefa tsy nosokafan’ny tompon-trano. Ankoatra ny fandrobana dia notifirin’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana 60 taona ary naolana ny vadiny.

D.R

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici