Votsotra ireo karana roa nisy naka an-keriny. Araka ny tatitra voaray avy tamin’ny zandary eny Talatamaty, dia nilaza ny rain’ireo roa lahy taratany karana nisy naka an-heriny fa efa navotsotr’ireo jiolahy ireo olona roa ireo tamin’ny sabotsy 04 jona teo. Tamin’ny 10 ora alina no nahitanaa zy ireo teny Ankadikely. Tsy nisy naratra izy ireo ary hita koa ilay fiara 4X4 nitondra azy. Fanampim-baovao no nahafantarana, fa nisy ny vola naloa tamin’ity raharaha ity.
r.s.