- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025

Tapatapany

# – Renivohitra. Mirongatra ny harom-paosy anaty taxi-be. Mirongatra izay tsy izy ny fangaronam-paosy anty taxi-be amin’izao fotoana indrindra amin’ny hariva firavan’ny mpiasa. Antony, fantatr’ireo jiolahy fa misy ny taingim-be amin’ny ora firavan’ny mpiasa amin’ny zotra maro. Ny hariva rahateo efa tena maizina. Izany no araraotin’ireo mpangarom-paosy. Ny alarobia teo, olona tsy latsaky ny telo no nitaraina fa very finday sy vola. Miaraka misisika amin’ireo mpandeha ry zalahy ary vao tafiditra fotsiny dia efa misy ny telefonina azony. Izay maka anefa, avy hatrany dia nanipy izany any amin’ny namany. Fanina avokoa ny olona.

# – Maevatanana. Fandrobana  fiara, olona enina naiditra am-ponja. Taorian’ny fisamborana ireo olona fantatra fa nandroba fiara lehibe nitondra mpivarotra hody tany amin’ny faritry Maevatanana, re izao fa olona olona folo no nosamborina ary nalefa teny amin’ny Fampanohavana. Ny enina tamin’ireo dia voalaza fa nampidirina am-ponja vonjy maika ary nyvefatra nahazo fahafahana vonjy maika. Tamin’ny fotoana nisehoan’ny fanakanan-dalana, re fa nitondra basy ireo jiolahy nentiny nandrahonana ireo mpivarotra. Ny vaovao no nahafantarana fa maty voatifitra tamin’io andro io ny mpamily ilay fiara voatafika

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici