vendredi, mai 23, 2025

Tapatapany

# – Ambohitrimanjaka. Any am-ponja ilay mpangalatra omby. Fantatra izao fa taorian’ny nitondrana azy teny amin’ny fitsarana dia nampidirina am-ponja vonjimaika ilay lehilahy tratra nangalatra omby teny Ambohitrimanjaka. Ny voavoa no nahalalana fa efa nigadra noho ny halatra hafa nataony ity olona ity.

# – Arivonimamo. Olona dimy naratran’ny lozam-pifamoivoizana. Fiara mpitatitra iray nitondra mpiantsena handeha hody no niharan-doza tamin’ny sabotsy folakandro teo. Voalaza fa nivoaka ny lalana ity fiara ity. Olona dimy no indray naratra ka ny iray tena voa mafy.

# – Anosibe. Lehilahy voatifitra. Notafihan’ny jiolahy ny trano iray eny amin’ny faritra Anosibe, ny sabotsy teo. Henon’ireo tao an-trano ny nidiran’ireo olon-dratsy. Tsy naharitra ilay raim-pinakaviana ka nojereny. Voambana basy avy hatrany izy. Tsy nanaiky anefa izy fa saika hanohitra ka tamin’izany no nahavoatifitra azy.

 Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser