# – Beroroha. « Chef de poste » nisy namono. Ny 9 jolay tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, notifirin’olona ny chef de poste ao Behitsy. Noho ny ratra nahazo azy, maty izy io rehefa avy nialana nenina tany amin’ny trano fitsaboana. Avy namonjy fivoriana izy niaraka tamin’ny namany iray. Olona tsy fantany ireo nifanena taminy ireo ary voalaza fa nitifitra avy hatrany. Tamin’izany no nahavoa azy. Naniraka ilay namany niaraka taminy izy nitady fanampiana. Rehefa tonga anefa ireo, niaraka tamin’ny fokonolona sy ny zandary, saingy efa lasa nandositra ireo nitifitra. Adiny telo taty aoriana, maty ilay olona. Tsy nisy very ny zavatra teny aminy.
# – Brickaville. Olona iray matin’ny lozam-pifamoivoizana. Ny sabotsy 9 jolay teo ihan koa, nisy lozam-pifamoivoizana nahafaty olona iray, teny amin’ny 291+500 teo Mahatsara Ambinaninony. Fiarabe iray avy aty Antananarivo no nidona tamin’ny andrintany. Ny loharanom-baovao no nahalalana, fa noho ny harerahan’ny mpamily no nahatonga izany loza izany.
# – Maevatanana. Jiolahy voakapa famaky. Ny alin’ny 6 jolay, dimy lahy nitondra fiadiana toy ny antsy maranitra no nandroba tao amin’ny tanàna antsoina hoe Sakoa Ambaiboha any Maevatanana. Ny akoho amam-borona no nalain’ireo mpangalatra. Tsy nanaiky izany anefa ny tompon-tanana ka raikitra ny fifanenjehana. Tratra ny iray ary maty voakapa famaky. Tafaporitsa ka kosa ireo namany efatra.
Ambatolaona. Miaramila maty tamin’ny fanazaran-tena. Tamin’ny zoma lasa teo no nanao fanazaran-tena tany Ambatolaona Manjakandriana, ny andiana miaramila.Tsy fantatra anefa izay niseho, fa tamin’ny fotoana nanaovan’ny iray izany, tapaka tampoka ny tady. Nianjera io olona io ary naratra mafy. Nezahana nentina taty an-drenivohitra nanatona hopitaly teny Soavinandriana. Tsy tana ihany anefa ny ainy, hoy ny vaovao voaray.
nangonin’i r.s.