# -Ambohimangakely. Zazakely very 5 andro, hita faty. Efa ho dimy andro no tsy hita ny zazakely iray tokony heritaona mahery kely eo. Vao tsy hita ilay zaza dia nikaroka azy avokoa ny fianakaviana. Tsy hita mihitsy anefa ilay zaza ary nisy nilaza fa nagalarin’olona. Ny fatin’ilay zaza sisa no hita teny an-tanimbary ary efa manomboka ho simba. Tonga nizaha ny zava-nisy ny mpitandro filaminana eny an-toerana ary nanombantombana fa nisy namono io zaza io. Tsy fantatra aloha ny antony nanaovana izany. Efa misokatra ny fanadihadiana
# – Taxi-be. Masiaka ny mpangorom-paosy. Mitombo isa ny mpangaroam-paosy any anaty taxi-be amin’izao fotoana izao. Vao omaly hariva, lehilahy iray no sendra an’izany raha handray fiara avy any Avaradrano ho aty Ankorondrano. Niditra taxi-be teny Ambohitrarahaba io olona io. Avy hatrany dia nisy nangarona ny paosiny, izay nolazainy fa misy volabe. Nihidy tsara anefa ny bokotra ka tsy azon’ilay mpangalatra ny vola. Vao tsy nahazo izany ilay jiolahy dia niala. Matetika amin’ny ora fodian’ny olona no tena amelezan’ireo mpangarom-paosy ireo. Fiantsonana taxi-be maro misy olona mifanesika no tena tongavan’izy ireo. Tsy sarotra fantarina izy ireny, hoy ny olona. Mihazakazaka mifandrombaka hiditra ry zalahy. Amin’izay no maka izay sendra ny tanany izy ireo.
nangonin’i r.s.