Ambatondrazaka. « Fanakanan-d0lana ». Ny faha-7 aogositra tokony ho tamin’ny 01 ora maraina teo anelanelan’ny Vodiala sy Ankazotsaravolo, fiara taxi-brousse iray no nosakanana jiolahy roa nitondra basim-borona sy fitaovam-piadina toy ny antsy. Voabahana vato ny lalana ka tsy maintsy nijanona ilay fiara. Vokany, lasan’ireo jiolahy ny vola 20 tapitrisa ariary. Ny zandary avy ao Ambatondrazaka no misahana ny fanadihadiana.
r.s.