- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025

Tapatapany

# – Mahabo. Dahalo iray maty voatifitra. Ny faha-10 aogositra, notafihan’ny dahalo miisa 13 nitondra basim-borona valo ny omby 11. Rehefa lasa ireo mpangalatra dia raikitra ny fanarahan-dia. Nisy ny fifandonana ka maty tamin’izany ny dahalo iray ary azon’ny fokonolona ny basy Baikal mitondra ny laharana 99702517.  Tany amin’ny tanana antsoina hoe Mandabe any Beraketa any Mahabo no niseho ity fanafihana ity.  Tafaverina amin’ny tompon’ny avokoa ny omby. Ny zandary avy ao Mandabe no misahana ny raharaha.

# – Maevatanana. Lehilahy maty an-drano. Lehilahy iray antsoina hoe Tsiry, 20 taona, no fantatra fa lasan’ny rano tany amin’ny toerana antsoina Bengimiolaka ao amin’ny ranon’i Betsiboaka any Maevatanana ny faha-9 aogositra teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mpitandraka volamena izy io ary avy any Betafo Antsirabe. Efa mandeha ny fikarohana nefa tsy mbola hita izy hatramin’izao, hoy ny vaovao voaray. Manohy ny fitadiavana azy ny zandary sy ny fokonolona. Efa nilazana ny havany.

# – Maevatanana. Trano 15 kilan’ny afo. Nisehoana hai-trano tany amin’ny kaominina Tsararano fokontany Antsohery Vakary Ambahiboho. Ny faha-9 aogositra teo, tokony ho tany amin’ny 3 ora hariva no niseho ity fahamaizana ity. Kila avokoa ny fitaovana sy fitdiana tao amin’ireo trano ireo miaraka amin’ny vola 3 tapitrisa ariary, vary akotry 10 gony sy voamaina 12 gony. Trano bozaka  iray no voalaza no niatombohan’ny afo. Tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’ity loza ity.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici