# – Andohoranofotsy. Fatin-dehilahy. Ny 17 aogositra no nahitan’ny olon fatin-dehilahy iray tao anaty tatatra teny Mahalavolona Andohoranofotsy. Fantatra ny anarany ary torak’izany koa ny toerana nonenany. Avy eny Tongarivo Tanjombato izy. Tonga teny an-toerana ny zandary sy ny dokotera nizaha ny razana. Rehefa natao ny fitiliana dia fantatra fa matin’ny toaka sy hatsiaka ity lehilahy ity. Ny zandary avy ao Andohoranofotsy no manao ny fanadihadiana. Efa nomena ny fianakaviana ny razana.
# – Ambohimangakely. Fanafihan-jiolahy. Ny 16 aogoditra, nisy fanafihan-jiolahy niseho teny Ankandrina Soamanandrariny kaominina Ambohimangakely. Jiolahy enina no nanao herisetra niditra tao an-tranona vehivavy roa. Tsy afaka nihetsika izy ireo voaambana sabatra. Very tamin’izany ny entana maro tao an-trano toy ny fitaovan-dakozia sy milina maro isan-karazany. Nisokatra ny fanadihadiana ka ny zandary avy ao amin’ny PA Soamandrariny no misahana izany.
# – Mantasoa. Trano fito novakian’ny jiolahy. Ny 16 aogositra 2016 tamin’ny 12 ora alina, nisy niantso ny zandary tany Mantasoa, fa nasesin’ny jiolahy norobaina ny trano fito. Vao naharay ny vaovao ireo mpitandro filaminana avy ao Ambatolaona, dia nidina tany amin’ilay toerana. Tonga ara-potoana tokoa izy ireo satria araka ny vaovao fantatra dia tsy niala 100 m alohan’ny tanana akory dia nisy olona efatra voasambotra.Tratra tany amin’izy ireo ny entana sasany avy nangalariny sy ny fitaovana toy ny “pince coupante”. Ny zandary avy ao Mantasoa no manao ny fanadihadiana.
# – Mahajanga. Mpilalao baolina maty. Raikitra ny fifandonana teo amin’ireo mpilalao baolina kitra notanterahana teny Tsararano Mahajanga ny 16 aogositra lasa teo. Vokany: olona iray no voalaza fa namoy ny ainy. Ny sefo fokontany teny an-toerana no nampandre ny mpitandro filaminana. Tamin’ny sakoroka, mpîlalao iray no voatsindrona zava-maranitra. Novonjena nentina tany amin’ny hopitaly fa tsy tana ihany ny ainy. Saika raikitra fanindroany indray ny sakoroka satria raha vao nahare ny zavatra niseho ny ankilany dia saika hanafika ny fokontany Tsararano ny avy ao Mahavoky. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ary voasoroka ihany ny loza saika niseho.
Nangonin’i r.s.