# – Ampanotokana. « Vaky fasana », razana 9 tsy hita. Ny faha-4 septambra teo, novakian’ny sasany ny fasana teny amin’ny tendrombohitra Ankaraobato Ampanotokana. Very tamin’izany ny razana miisa sivy, taolan-dava avokoa. Nanentana ny fokonolona manodidina ny mpitandro filaminana mba hanao andrimaso, indrindra amin’ny alina. Ny zandary avy ao Ampanotokana no misahana ny fanadihadiana.
# – Ampefiloha. Varotra basy. Hiakatra Fampanoavana anio ireo roalahy varohirohy. Anio no hiatrika ny mpitsara mpanao Famotorana etsy Anosy ireo olona roa voarohirohy amina fikasana hivarotra basy tratran’ny mpitandro filaminana teny Ampefiloha tamin’ny talata teo. Voalazan’ny vaovao fa mpitandro filaminana ny iray ary karàna ny faharoa. Basy kalaky no nokasaina hamidy.
# – Anosy Avaratra. Lozam-pifamoivizana nahafaty olona. Ny faha-5 septambra teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny sampanana ho any Lazaina eny Anosy Avaratra. Vokany, olona iray no namoy ny ainy. Lehilahy iray nitondra bisikileta no nodomina fiara tsy fantatra, satria nandositra ny mpamily fa tsy nijanona. Eny amin’ny tranom-paty Anosy Avaratra ilay razana.
# – Marolambo. Jiolahy matin’ny fokonolona. Notafihana bandy miisa enina nitondra famaky sy lefona ny tranona mpanangom-bokatra iray tao amin’ny tanàna antsoina heo Maromitety Andonabe, any Marolambo, ny fiandohan’ny volana septambra. Nokapain’ireo jiolahy teo amin’ny lohany ny tompon-trano ka naratra mafy. Nenjehan’ny fokonolona ireo jiolahy ka tratra ary dia niharan’ny vono ny iray dia izao maty izao. Ireo dimy hafa kosa nalefa nofotoran’ny zandary ao amin’ny borigady Marolambo.
nangonin’i r.s./D.R.