# Ambohimanarina. Zaza vao teraka nisy nanary teny an-tsaha. Zaza kely iray no hitan’ny fokonolona nisy nanary teny Ambohimandroso Ambohimanarina, omaly vao maraina. Ankevitry ny vao teraka ora vitsy talohan’ny nahitan’ny fokonolona azy io ity zaza ity. Mbola teny aminy mantsy ny tadim-poitrany. Tamin’ny fotoana nahitana azy dia mbola velona aina soa aman-tsara ilay zaza ka noezahin’ireo nahita nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Avotra soa aman-tsara ihany araka izany ity zaza vao teraka ity raha ny vaovao hatrany. Tsy fantatra ary tsy hita popoka kosa hatreto ny reniny.
# 67ha. Naiditra am-ponja ireo zanak’ilay olom-boafidy. Misavorovoro tanteraka ny toe-draharaha. Taorian’ilay fanafihana sa fisavàna nataona andian’olona miendrika mpitandro filaminana teny amin’ny tranon’ilay olom-boafidy teny 67ha, dia fantatra izao fa nalain’ny mpitandro filaminana tao an-tranony ny zanak’ity solombavambahoaka ity miaraka tamin’ny olona hafa tao an-trano. Miisa efatra izy ireo. Nohadihadiana ary natolotra ny Fampanoavana avy hatrany. Ary fantatra fa nampidirina am-ponja avy hatrany. Tsy fantatra hatreto na inona no anenjahana ireto olona ireto na inona. Andrasana ny fanazavàna omen’ireto tompon’andraikitra.
nangonin’i m.L