# – Manakambahiny. Lehilahy maty nianjera. Omaly hariva, lehilahy iray no fantatra fa maty nianjera avy eny amin’ny faritra avo dia avo teny Manakambahiny. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa avy eny ambany izy no nandeha niakatra ilay lalana feno haram-bato ho any amin’ny La Haute. Tsy fantatra anefa izay niseho fa rehefa teny ambony teny, nianjera nikodia tany ambany izy ary dia izany no nahafaty azy. Efa teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny dokotera nizaha ny razana.
# – Analamahitsy. Mpamaky trano voasambotra. Ny faha-28 septmbra teo dia lehilahy iray no tratran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-8 sy ny vaomieran’ny Fandriampahalemana teny amin’ny faritra Amboditsiry. Rehefa nosavaina izy io dia nitondra akoholahy iray. Rehefa nosavaina ny sakaosiny dia nisy fitaovana famakiana trano hita tao. Rehefa nohadihadiana izy dia nilaza fa roa no niaraka namaky fiara ka ilay namany no nitondra batery telo sy autoradio iray.
Nangonin’i r.s.