#-Sambava. Ankizy roa maty may kilan’ny afo. Zazavavikely roa, 2 taona sy 3 taona no namoy ny ainy tao anatin’ny hain-trano niseho tany Amborinala, kaominina Farahalana, Sambava ny sabotsy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia “briquet” nipoaka teo akaikiny fatana no nahatonga ny loza. Ankizy telo izy ireo no tao an-trano fa ny iray nivoaka niantso vonjy, raha vao nanomboka nirehitra ny trano. Lasa lavenona, tsy nisy azo noraisina intsony ihany koa moa ity farany.
#-Andranomena. Nidoboka am-ponja ireo mpanao trafikana sokatra. Ny faran’ny herinandro teo no natolotra ny Fampanoavana ireo olona telo voarohirohy tamin’ny fanondranana sokatra miisa 229 voasambotra tetsy Andranomena ny alakamisy lasa teo. Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy ireo taorian’ny nihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo. Amin’ny 25 oktôbra ho avy izao kosa ny fitsaràna.
#-Volamena tratra tetsy Ivato. Misy zandary voarohirohy ? Mandeha ny feo fa toa hoe misy mpitandro filaminana voarohirohy tamin’ilay raharaha fanondranana an-tsokosoko volamena milanja 25 kilao, sarona tetsy Ivato, ny alakamisy lasa teo. Nilaza avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimaria fa “raha sendra misy zandary voarohirohy amin’io raharaha voalaza io, dia isan’ny mpanenjika azy amin’ny heriny rehetra ihany koa ny zandarimariam-pirenena(…). Ary hatolotra amin’ny mpanao famotorana tsy am-pisalasalana noho izany izay rehetra mety ho voakasik’io raharaha io”.
#-RN2-RN7. Olona roa matin’ny lozam-pifamoivoizana. Lehilahy iray no namoy ny ainy tany Manjakandriana ny sabotsy teo, rehefa nivadika ambony ambany tany an-tanimbary ny fiara “Renault 4L” nentiny. Mpitondra môtô iray ihany koa no maty tsy tra-drano rehefa nidona tamin’ny andrin-jiro ny môtô nentiny, ny sabotsy teo ihany, tetsy Ambatofotsy. Araka ny fantatra dia samy nandeha mafy izy ireo.
nangonin’i m.L