- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -

Tapatapany

#-Anjozorobe. Mpivady notafihana telolahy nitondra sabatra. Mpivady miambina toerana misahana ny fiompiana sy fambelana no notafihana telolahy mitondra zava-maranitra, tao Mangamila Anjozorobe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Very tamin’izany ny vola mitentina efatra tapitrisa ariary mahery tao amin’ilay toerana, niampy entana sarobidy sasantsany. Tsy naninona kosa ireto mpivady ireto. Tonga nanao ny fizahana sy nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany moa ireo zandary any an-toerana.

#-Kiangara. Lasan’ny jiolahy ny lakolosin-dry mômpera ao Ambohinorina. Lakolosin’ny fiangonana katôlika ao Ambohinorina, Kiangara no nanjavona teo amin’ny fiantonany . Ny sabotsy maraina lasa teo. Ny katesista saika hampaneno izany no nahatsikaritra ity fahaverezana ity. Nampandrenesina avy hatrany ireto mpitandro filaminana mahakasika ity tranga ity.

#-Talata Volonondry. Olona mamo nandratra zandary. Zandary iray miasa eny amin’iny faritra Talata Volonondry iny no naratra, rehefa novonoina mpirahalahy mamo, ny alahady lasa teo. Niady taman’olona ireto olona mamo ireto ary niezaka nampisaraka tamin’izany ilay zandary. Nivadika lasa nanaovan’ireto nosarahana tambabe indray anefa ilay mpitandro filaminana. Nosamborina sy notazonina avy hatrany moa izy roalahy ireto

#-Ambalavao Atsimondrano. Mpitondra scooter maty nofaohin’ny kamiô. Lehilahy iray nitondra scooter no nodomina kamiô lehibe iray, tao anaty fiolahana, tetsy Ambalavao Atsimondrano, ny alahady teo. Vokany maty noho ny ratra nahazo azy ilay mpitondra môtô, nony tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana. Notazonina hatao fanadihadiana kosa ny mpamilin’ilay fiarabe.

#-Antsohihy. Vazaha voatafika tao an-tranony, lasa ny vola sy entana sarobidy. Tokantranona vazaha iray manambady gasy any amin’iny faritra Antsohihy iny, no notafihana efa-dahy mirongo fiadiana, ny alahady lasa teo. Vokany, naratra ny tompon-trano, vokatry ny vono nahazo azy, raha nikasa hanohitra ireto olon-dratsy. Lasa tamin’izany ihany koa ny kitapo misy vola vahiny mitentina 500 euros, « carte bancaire », « passeport » ary finday. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici