Toliara : Nisarahan’ny vazaha dia namono tena. Tovovavy iray vao 23 taona monja, nisakaiza tamina vazaha lahy iray efa nahazoazo taona no maty nitelina fanafody maro karazana, tany Toliara, izay hita faty irery tao an-tranony, afak’omaly. Raha ny tsilian-tsofina nandritra ny angom-baovao dia tratran’ity teratany vahiny ity niaraka tamina tovolahy Malagasy iray sipany ity tovovavy ity, ny talata teo, ka rafitra ny ady teo amin’ny roa tonta, niafara tamin’ny fisarahana mihitsy. Ankevitry tsy tantin’ity tovovavy sipam-bazaha izay manan-janaka iray telo taona tamin’olon-kafa ity ny fisitahan’ilay teratany vahiny azy tampoka, ka namoy fo ny tenany noho ny fahadisoam-panantenana ara-pitiavana, ary nanapitra ny ainy tamin’ny fihinanana fanafody marobe, ka vatana mangatsika sisa no novantanin’ny havany tao an-tranony.
Ihosy : Harona feno taolam-paty. Hatairana ny an’ireto olona maromaro handeha hamonjy tsena vao maraimbe, omaly tany Ihosy, raha nahita an’ ireo taolam-paty nafatratra tao anaty harona “sachet” lehibe iray. Sendra nandalo tamin’ny lalana iray hihazo ny lalam-pirenena hiditra ny tampon-tanàn’ Ihosy ireto fianakaviana no nahita harona plastika miloko mainty teo amoron-dalana. Nihevitra izy ireo fa entan’olona handino na latsaka ka tsy nisalasala nisava avy hatrany ilay “sachet”. Teo vao nivarahontsana raha nahita ireo taolam-paty tao anatiny, izay taolan-dava avokoa, raha ny vaovao voaray.
Bekily : Raim-pianakaviana voakapa famaky . Dahalo telolahy ikoizana any amin’ny distrikan’ i Bekily, faritra Androy, izay fantatry ny mpiray tanàna amin’ny asa ratsiny no nanafika raim-pianakavina iray tao Andranoteraky Bekily, ny alarobia teo. Avy hatrany dia nokapakapin’ ireo malaso tamin’ny famaky ity voatafika, ka naratra mafy teo amin’ny lohany, ny tanany, ary teo amin’ny lamosiny, ka tsy maintsy naiditra hopitaly haingana. Na teo aza ny ratra mafy nahazo an’ity rangahy ity dia mbola afaka niantso vonjy izy, ka nikoropaka nandraoka ny entana sarobidy voarain’ny tanan’izy ireo ihany no nentin’ ireo kotro nitsoaka. Fantatra araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, fa namporisihina hanampitra ny ain’ity lehilahy mpanarivo ity ireto dahalo mpikarama an’ady noho ny resaka fialonana sy ady vehivavy. Karazan’ny fomba nentina nanarontsaromana ny vono olona saika hataon’ ireto malaso fotsiny ny halatra entana nataon’ izy ireo ambadik’ity fanafihana miharo herisetra ity.
Nangonin’i Eric Manitrisa