- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025

Tapatapany

# – Miandrivazo. Maty voakapa famaky. Lehilahy lehibe 70 taona no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tany amin’ny toerana antsoina heo Morafeno any Miandrivazo. Nokapaina famaky teo amin’ny lohany ity lahy antitra ity. Maty tsy tra-drano izy araka izany. Ny faha-12 oktobra, nandeha nitolo-batana tany amin’ny mpitandro filaminana ilay nahavanona ny loza. Tsy fantatra aloha ny antony’ny fifamonoana.

# – Mahabo. Halatra omby sy fakana an-keriny. Maty voatifitra ny dahalo iray, azo sambo-belona ny namany ary afaka soa aman-tsara ilay vehivavy nentin’izy ireo natao takalon’aina. Ny faha-11 oktobra, tonga nangalatra omby tao amin’ny tanana antsoina hoe Beanana ny dahalo roa nitondra basy. Lasany ny omby, nalainy ilay vehivavy tao an-toerana. Natao ny fanarahan-dia ary nisy ny fifandonana. Tamin’izay no nahafaty ny iray. Azon’ny mpitandro filaminana koa ny basy Baikal nentin’ireo mpangalatra ireto.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici