- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024

Tapatapany

# – Andrefan’Ambohijanahary. Mpitondra moto maty. Ny alahady alina tokony ho tmain’ny 8 ora, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Andrafan’Ambohijanahary. Moto iray no nifandona tamina fiara. Vokany, maty vokatr’izany ilay nitondra kodiaran-droa.

# – Manjakaray. Mpanendaka tratra. Nitàna basy  Rainitelo ary nanendaka ramatoa iray izay sendra nandalo teny an-toerana. Lasan’itsy voalohany ny paoketra izay nisy vola. Nahavita niantso vonjy ilay ramatoa ary sendra nisy polisy teo amin’ny manodidina. Natao ny fisamborana an’i Rainitelo. Natsipiny ny basy rehefa hitany fa tsy afaka intsony izy. Tsy hita izay nanjavonan’io fitaovam-piadiana io…

# – Foulpointe. Difotry ny rano. Niakatra ny rano vokatry ny andro ratsy izay niteraka oram-be nandritra ny roa andro. Miantsovonjy ny olona, satria raha araka ny filazan’izy ireo dia lasa aty an-drenivohitra avokoa ny tomponandraikitra tokony handray fanapahan-kevitra ao an-tanàna, namonjy fivoriana.

# – Ivato. Trafikam-bolamena. Mbola nitohy omaly ny fakàna am-bavany ireo teratany karàna roa izay nosamborina rehefa nahatratrarana volamena.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser