# – Mitsinjo. Tapaka ny tongon’ilay zaza naolan’ny dadatoany. Zazavavikely 9 taona no niharan’ny herisetra sy fanolanana nataon’ny dadatoany, tany Mitsonjo, any Mahanjanga. Tsy vitan’ny fanolanana fotsiny anefa fa nitondra takaitra ihany koa ilay vavy kely. Tapaka ny tongony havanana. Tsy maintsy nalefa any amin’ny hopitaly Androva Mahanjaga izy manaraka fitsaboana. 37 taona ity olona nahavanona ny loza ity. Efa nosamborina izy ary natolotra ny fitsarana ao Mahajanga.
r.s.