- Publicité -
dimanche, novembre 2, 2025
- Publicité -

Tapatapany

# – Soavinandriana. Halatr’omby, olona iray matin’ny dahalo.  Ny voalohan’ny volana novambra, tamin’ny misasak’alina tonga nanafika tanana iray ny dahalo izay tsy fantatra ny isany. Raikitra ny fifanjevoana ka tamin’izany no nahafaty olona iray sy naharatrana efatra hafa avy amin’ny fokonolona. Omby anjatony no lasan’ny mpangalatra.  Tany amin’ny tanana antsoina hoe Ambatolampy fokontany Mahazina any Soavainandriana, no nisy an’ity halatra ity. Raha vao nahare ny vaovao ny mpitandro filaminana dia nidina tany an-toerana. Ny miaramila avy ao amin’ny DAS any an-toerana sy ny zandary avy ao amin’ny PA Mahavelona. Tonga tany an-toerana ihany koa ny kimandin’ny « groupement Itasy »

# – Analavory. Toaka gasy 400 litatra tratra. Tra-tehaky ny zandary ny olona nitondra toaka gasy mahatratra hatrany amin’ny 400 litatra any ho any, tany amin’y toerana antsoina hoe Firavahana any Analavory tamin’ny voalohan’ny volana novambra teo. Araka ny vaovao, fiara mpitatitra avy any Ambositra ho any Analavory no nitondra ireo toaka voarara ireo. Efa alina tamin’izay, nefa dia niambina hatrany ny mpitandro filaminana. Ny zandary avy ao amin’ny PA Analavory no manao ny fanadihadiana.

# – Toamasina. May ny trano, 15 tapitrisa lasa lavenona. Ny faha-3 novambra, nirehitra ny trano iray tao Ambalatenona kaominina Antandrano any Toamasina. Vokany, tafiakatra hatrany amin’ny 15 tapitrisa ariary ny tombam-bidin’ny zavatra kila tao. Tsy fantatra mazava izay nahatonga ny firehetana. Araka ny filazan’ny tompony, tao an-trano ry zareo tamin’ny fotoanan’ny fahamaizana. Tsy nisy afo narehitra anefa tao. Nilaza izy fa avy any ivelany no nahatonga io afo io. olona enina no tra-boina. Ny zandary avy ao amin’ny PA Antanandava no miahana ny famotorana.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici