- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025

Tapatapany

# – Bongatsara. Vehivavy matin’ny lozam-pifamoivoizana. Vehivavy iray no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny RN7, teo amin’ny PK 18+900, toerana antsoina hoe Ambatofitoerana Andranonanahary, kaominina Bongatsara. Nanosika fiara sady nitazona familiana ity vehivavy ity no sendra ny loza. Voalaza moa fa tao anaty fiolahana no nahavoa azy. Fiara lehibe iray avy any atsimo ho aty an-drenivohitra no nandona azy. Tazonina ao amin’ny zandary Andoharanofotsy ilay mpamily.

 

# – Befandriana Nord. Dahalo efatra matin’ny fokonolona.  Dahalo miisa efatra no matin’ny fokonolona nanara-dia omby very, omaly faha-30 novambra teo. Nisehoana halatra omby tany amin’ny tanàna antsoina hoe Androto, kaominina Morafeno, any Befandriana Nord. Raha nahita izany ny mponina dia raikitra ny fifanenjehana, ary rehefa tratra ireo mpangalatra dia nanontaniana ny bokin’omby. Tsy nisy anefa izany. Ankoatra izany, nandrahona ireo dahalo. Raikitra teo ny fifampitifirana iray kilometatra miala ny tanàna. Tsy nahovoka ireo mpangalatra na dia nanana basy aza ka lavo avokoa. Ny zandary avy ao Befandriana no misahana ny fanadihadiana.

.

# – Maevatanana. Telo lahy nirongo basy nanagalatra omby. Dahalo miisa telo nitondra basim-borona no nangalatra omby tao amin’ny tanàna antsoina hoe Betrako Antanambao, any Mangabe. Lasan-dry zalahy ny omby telo ary izay tsy nentiny dia norasarasainy tamin’ny antsy.  Talohan’ny nidirany ny tanàna dia nanapoaka basy ireo olon-dratsy. Rehefa azony ny omby dia lasa izy ireo. Nanara-dia ny fokonolona sy ny zandary koa dia navelan’ireo dahalo ny omby rehefa avy nofirafirainy fa izy lasa nitsoaka. Tsy nisy maty ireo omby fa naratra fotsiny. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i r.s.

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici