# – By Pass. Lehilahy iray maty nodonin’ny fiara. Ny alarobia teo, efa hariva ihany tamin’izay, lehilahy iray tokony ho eo amin’ny 26 taona eo no maty nodonin’ny fiara tamin’iny làlana By Pass iny, efa tsy lavitra an’Alasora. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa niampita tampoka ny làlana ity olona ity izao voadona izao. Ny vaovao hatrany no nahalalana, fa handeha hamonjy fodiana eny Alasora ity olona namoy ny ainy ity. Matetika no misy loza sahala amin’izao iny làlana fandehanan’ny fiara mafy dia mafy iny.
r.s.