#- Masay. Fiara nifaoka sarety, naratra ny mpitarika ity farany. Sarety nitondra zava-pisotro tamina « cageot » maromaro no nofaohina fiarakely iray tetsy amin’ny làlan’i Masay, omaly vao maraina. Naratra mafy vokatr’izany ny mpitarika ilay sarety, ary potika kosa ny lohan’ilay fiara kely. Tetsy an-danin’izay dia vaky ary niparitaka teo amin’ny arabe avokoa ireo zava-pisotro nentin’ilay sarety. Handeha hizotra ho any Andranobevava moa ilay fiara raha mitodi-doha mankany Ankorondrano kosa ilay sarety, izay samy nindrana ny zotra ankavanan-dàlana.
# Manjakandriana. Semi-remorque nivoaka ny làlana saika nifandona tamina lamasinana. Nanana olana ara-teknika tampoka ity fiarabe iray, « semi-remorque », handeha hiakatra ho aty an-drenivohitra ka nivoaka ny làlana ary niafara teny ambony lalam-by, omaly tany Sambaina Manjakandriana. Potika tanteraka ny lohany ka tsy azo nohetsehana teo ny fiara. Tamin’io fotoana io anefa no sendra nisy fiaran-dalamby nipoitra. Soa ihany fa afaka nijanona haingana ity farany, raha tsy izany dia loza no saika nitranga teo. Nezahin’ireo teny an-toerana nesorina ihany moa izany ka niverina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana.
#- Ankazobe. Takalonaina navotsitry ny dahalo. Nisehoana halatr’omby tany amin’ny toerana antsoina hoe Antsinjoarivo any amin’ny disitirik’Ankazobe ny faha-2 desambra lasa teo. Ankoatra ny omby, naka takalon’aina roa ireo olon-dratsy. Rehefa natao ny fanarahan-dia, navelan’ireo mpangalatra avokoa ny omby ary navotsotrany koa ireo takalonaina roa nentiny. Nisy ny fifampitifirana tamin’izany. Ny zandary niaraka tamin’ny miaramilan’ny DAS ary ny fokonolona no nanenjika ireo dahalo ireo.
# – Ambatolampy Tsimahafotsy. Omby vositra roa lasan’ny mpangalatra. Nalain’ny mpangalatra tao anaty fahitra ny omby vositra roa, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Rehefa nataon’ny tompony niaraka tamin’ny zandary ny fanarahan-dia, dia hita ny sisa tamin’ny omby iray, izany hoe ny taolany. Tsy lavitra teo ihany koa no nahitana ilay faharoa izay efa maty ary napetraka tao anaty lavadrano. Vao maraina koa no nahamarika ny tompon’ireto omby ireto ny fahaverezany. Vaky ny vala nefa dia voalaza fa tsy nahare na inona na inona izy ny alina nangalan’ny olon-dratsy ny omby.
# – Sambava. Hain-trano, 200 tapitrisa ariary ny fatiantoka. Nisehoana hain-trano tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatojoby Bemanevitra any Sambava, ny voalohan’ny volana desambra teo. Trano telo no kila ary levon’ny afo tamin’izany ny vola rehetra mitotaly an-tapitrisany maro sy ny lavanila hatrany amin’ny 30 kilao. Tombanana ho eo amin’ny 200 tapitrisa eo ny zavatra simba. Ny vaovao no nahafantarana fa “court circuit” avy ao amina trano iray no nahatonga ny firehetana.
r.s./m.l.